MBA AOKA IZAY FA AMPY (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa maro izay vita sy nolalovana
Efa tofoka izy raha ny resa-pahatsiarovana
Efa tofoka amin’ny tsiron’ny mangidy
Efa leo ny vesatry ny adidy

Ny didy mahafaty sy ny vokatry ny ratra
Manganana aok’izany ny olatry ny lasa
Ampy ‘zay ; manaiky izy fa efa resy
Manaiky izy ka tsy andrenesan-teny

Efa nampitondrain’ialahy zavatra mavesatra
Efa nampandrian’ialahy tamin’ny lainga be mandreraka
Efa nanaovan’ialahy toetra tsy fampiseho masoandro
Efa noviravirain’ialahy tsy mitsahatra isan’andro

Avelao letsy izy mba halalaka
Aza anaovana ‘zay tina hatao
Olombelona anie izy eee
Manan-jo hotiavina sy hitia tahaka anao

Tsy fananan’ialahy izy ka hatao aminy avokoa ‘zao rehetra izao
Tsy fananan’ialahy izy fa olona nandala ny maha ianao anao
Tsy fananan’ialahy izy fa olona tia ary notiavinao
Tsy fananan’ialahy izy ka koloy sy hajao

Fa raha hoavy ny fotoana tsy hotatiny intsony
Eo ialahy vao hisaona tsy hahare na kiaka iray monja
Eo ialahy vao hitalaho sy hiantsoantso ny anarany
Eo ialahy vao hiangavy hanakatona ny fonja
--------
Rohy:
213 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0608