NAFENIKO NY TAVAKO (RAVINALA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahodiko ny lohako tsy hibanjina ny endrikao sariaka
Nakipiko ny masoko fa matahotra sy miahiahy indray
Sao ho lasa babonao amin’ny fitsiky manjopiaka
Ka ho tohina eo indray ny fery ‘zay voazaitra naratra tamin’iny.

Nafeniko ny tavako tsy ho tsikaritrao akory ny andriambin’ny foko
Mahery dia mahery, misitona tomany
Nafeniko izy androany, mba tsy ho fantatrao
Hoe mbola ao ny fitia ary mamy dia mamy toy ny vao omaly.

Ny vetsoko mangina sy kalo feo manga
Naetriko izy angamba, tsy hanaitra anao intsony
Fa ny tantaram-piainako na banga fa tsy fantatrao
Hifatohako eny ihany na tsy misy anao akory.
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
123 3
Mpakafy: SANAKERIB - sonneper - LEVASOKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAVINALA
Nampiditra : LEVASOKA
Daty : 21/03/2024 19:54
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014