RAHA MBA IZAHO MANTSY (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mba izaho mantsy no olon-tinao iny
Dia hosambatra aok’izany ary ho hadinoko ny lasan’ny fahiny
Tsy niasako saina akory ny ditraditra kelinao
Na ny toetra ratsy sy ny kilema ananao

Tsy hakarary ahy velively raha ny tsy fisiana,
Tsy nahoako ihany koa ny esoeso teny ombana fanaratsiana
Ataon’ny olona mijery sy mahita eso teny
Fa noraisiko ho anatra avokoa ireny rehetra ireny

Ary ny toky omeko anao dia izaho ho andrinao
Ho eboebo kely hiatehatra aminao
Hivonona hatrany hanatsara ‘zany hoavy
Ary ilay taratra masoandro no hatao tarigetra

Raha mba izaho no hotokatranonao
Dia voalamiko avokoa ny fiainantsika roa
Ny fodinao hariva tsy hiasako loha
Fa vonona hanafana hatrany ny fiainan’olondroa

Raha hoe ‘zaho dia tsy toy io akory ny toerana nonenana
Korontana sy loto mankarary an-doha ; vita volamena
Misy sarisary mirakitra ny lalam-pahatsiarovana
Nizorana hatry ny ela nampiray antsika

Saingy indritsy fa tsy izaho ; olona kiriana
Besafara sy tia haingitraingitra makalao anao
Tsy mahatsapa akory ny toetra soa indrindra
Mampiavaka ny tiana nahalalako anao

Ny hany ho mba tsapany dia ny fahalemena
Sy ny ditraditra kely monja indray miserana
Tsy tsaroany akory ‘zato ianao tsy mandry
Mitrongy isanandro tsy mba mitaraina mandretaka amin’ny tany

Mitady remby mba hiadanan’ny ankohonana
Miaro ny voninahitry ny vady hitovizany amin’ny hafa
Tsy tsapany mihitsy izany fon’ialahy tokana filana
Dia ny hahasoa ny olon-tiany sy ny taranaka any aoriana

Hatramin’ny fafatrano avy no iandrasany an’ialahy
Torovana sy trotraka avy miasa iny
Ontsa letsy aho fa mankadiry lotra ny hazofijaliana
Iainan’ialahy mba naniry tokatram-piadanana mirindra

Tia azy ialahy fa tsy tsapany
Ary olon-kafa no iriany ho malalany
Heveriny fa hitondra azy amin’ny fiadanana
Kanefa fady azy ny hoe hifanome tanana.
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Fiainana - Fitiavana
218 1
Mpakafy: ArantaTsyFoiko
Hevitra mandeha
ArantaTsyFoiko ( 30/07/2024 11:59)
tena mi-visé anakah petite nature mila vaniny fôna, soa fa nisy ty poeme ty, mankasitraka be
LEVASOKA ( 05/08/2024 20:48)
Misaotra anao namaky sy nankafia azy😘
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0959