Tao anatin'ny alina mangina (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tao anatin'ny alina mangina no nitsiry faniriana
Hiara-dalana hifankatia sy hifampitantana
Hiara-dia hamakivaky izany lalana
Namisavisa samirery fianan'olontsambatra

Indreny izaho sy ianao hiaina fifaliana
Somebin-kasambarana miaraka mamindra
Na aiza na aiza tany hombana
Na ny mora na ny sarotra dia miaina samy sambatra

Tsy nofy intsony ankehitriny
Tsy visavisa an'eritreritro fahiny
Fa efa iarahana mahita sady fantatry ny maro
Miavaka ny antsika fa fitia no taharo
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Aingam-panahy
87 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1162