TENIN-JOKILAHY (RAVINALA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zandry aa,
Haiko inao fa resim-pitia
Haiko koa hoe resy ny adim-piainana
Kanefa aza mitanondrika
Fa ny fitrakana no ataovy tarigetram-piainana

Ny olana tsy maintsy misy raha mbola eto an-tany ;
Mifalia ! Dia aza tomany f’izany fombanjavatra fotsiny ihany
Ary hevero ny fahalavoana sy ny tsy fahombiazana
Herijika vavao natao hanitsiana ny lalana

Fadio leroa ‘zany hivarolavo
Androany ialahy mahatsiaro ho resy
Ny ampitso mbola miandry any ho any ny anjara masoandro
Io fiainana io tsy tapitra akory fa mbola hitohy

Raiso ny tanan’i zokin’ialahy
Dia avia miarena ka aza manahy
Tsy hisy zava-bitan’izay ranomaso
Fikirizana letsy ny fiainana ; na hofahoriana aza omena lamako.

Raha vehivavy no olan’i zandry
Hihomezako kely mba tsy handatsàna
Aza tezitra letsy ry bôgôsy kely aa
Fa mbola maro ary tsy lanilaniana ireo tena tsara.
--------
Lien:
Catégorie : Fananarana
76 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139