TIA FA TSY TSAPANY (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sarobidy lotra amiko izy iny
Sarobidy lotra tsy nitsitsiako ny amiko
Sarobidy mihoatra ‘zay firavaka
Sarobidy noho ny rehetrarehetra

Tsy atakoloko safira
Na diamondra, vatosoa
Na ireo karazan-drendrarendra
Sy ny mamy etsy, eroa

Mamy am-poko lotra
Mamy noho ireo tantely
Na inona tsara votra
Ianao ihany no anjely

Saingy tia fa tsy tsapany
Tia lotra ka voaratrany
Tia fa nosoloiny
Olon-kafa miondana eny an-tratrany

Tia ka migoka ranomaso
Tia ka mizaka ‘zany akaso
Tia miaina teny maharary
Tia feno sento sy tomany

Nofinofy sisa mba tavela
Nofinofin’ilay tokam-po
Nofinofy raha mba nanantena
Nofinofy ilay fitiavan’olondroa

Ny siny sisa mba tavela
Fa nilaozan-dranomaria
Harana no sisa mba mijoro
Eo am-potokazo nantenaina

Efa lasa vao velon-tsento
Efa lasa vao miantsoantso
Efa lasa vao mody adala
Efa lasa vao hoe malala
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
287 0
Hevitra mandeha
ArantaTsyFoiko ( 30/07/2024 12:03)
ndryyy , zahay vaccinée alo d efa mafy fo tsy mahay manome 100% tsony fa fay, merci pour le poëme, c'est super
LEVASOKA ( 06/08/2024 08:14)
Mankasitraka indrindra ooo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0937