TONGA HAMALY ILAY FITIA (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vaky ravina ny fitia nambolenao tato am-poko
Vaky ravina sy nirobona faniry tsy hay vonoina na fafaina
Namelana ka haingon-jaridaina toy ny voninkazo
Homeko anao tsy misy fetra sy azonao anjakaina

Ilay noheverinao ho faharesena sy tany karankaina
Nanjary tany lonaka mamokatra avo zato heny
Inoako fa ho faly ianao ka ho voafafa ireo taraina
Nitalahoanao sy niangavianao ombieny ombeny

Ilay noeritreretinao fa tsy nasiako lanja
Nizakanao fahoriana tanatin’ny fotoana maro
Indro ambarako aminao fa voraiko sy nomeko haja
Ka aza miahiahy na akory mitoloko

Mahay ianao ary tsy nitarain-tana-miempaka
Niady ho voasoratry ny foko
Omeko anao ny toky androany isika raha miresaka
Esory ny ahiahy f’efa voadiniko

Mitrakà amin’izay, mifalia ihany koa
Aza mitanondrika na malemy akory
Ny lalantsika anio ho rako-java-tsoa
f’izaho no andrianao amin-java-mahaory

Mitsangàna dia avia ny tànanao
Hofihiniko sy hataoko ho sakelika
Etsy koa ny fonao hiondanako
Dia mitonia ary foano ny eritreritra

Tia anao lotra aho ary babonao satria
Ifonako aminao ‘zay fery nozakaina
Olon-tianao aho ary tena ho doria
Eto an-tany ; ianao no olona lalaina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
255 1
Mpakafy: LEVASOKA
Hevitra mandeha
ArantaTsyFoiko ( 30/07/2024 12:08)
tsara be!
LEVASOKA ( 06/08/2024 08:22)
Misaotra oo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0809