TSY RAFINAO ILAY TIAVIKO (RAVINALA)

Nantsain'i levasoka
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny voady nokaloiko
hatramin'izay teo anilanao
Tsy misy novonoiko
fa nosoliko vaovao
Dia fiainam-baovao
fitia mifanaja
Sanatria ny hankahala anao
fa mendrika kokoa angamba
Nambarako azy avokoa
ireny lasantsika ireny
Teo ireo nahasoa
sy ny ditra teny ho eny
Ny aminao sy ny amiko
notantaraiko ombieny ombieny
Kanefa hoy izy tamiko
TSY MISY MIAFINA AMIKO IRENY
Mahereza hono hoe
mahombiaza amin'izay atao
Ny faniriany be dia be
hiara-dalana aminao
Tia ahy Izy
fa lalainy koa ianao
Eny aza kivy
fa io ilay lalam-baovao
Na dia saro-bidy ny aminao
ilainy koasa ny fitiavako
Ka tsarovy aky hatramin'izao
FA TSY RAFINAO ILAY TIAVIKO
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
83 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAVINALA
Nampiditra : LEVASOKA
Daty : 21/03/2024 19:19
Antsantononkalo
Nantsain'i levasoka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0599