Fahafahana (Jeankely Razafimamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahafahana no anarany
Tsy voagedran'iza n'iza
Manan-danja manana ny sarany
Tsy zanahin'izan'iza

Hoentina mahaleo-tena
Hamokaran-java-tsoa
Ho fitiavam-pirenena
Izay iray tsy mba roa

Fahafahana mivoatra
Nisedrana zava-tsarotra
Ny tsara atao dia ny misaotra
Fa tsy hoe hiady varotra

Hararaotina ny tsara
Hanorenana ny rava
Fahafahana no anjara
Hanamiranana ny tava

Fahafahana no anarany
Hanavaozana ny lasa
Hitadidiana ny tantarany
Fanatontosana ny asa

Fahafahana manarina
Izay rehetra bobongolo
Izay firaisan-kina marina
Ho an'ny nosy manontolo.
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
2321 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjean
Daty : 13/08/2005 18:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144