You are here: home > Vetso

fahafatesana - Jeankely Razafimamonjy

Tonga ianao.
Tonga am-pahanginana,
Amin-kery tsy voafetra.

Tonga ianao.
Mandondona am-
baravarana
Tsy milaza na,
hiroso na hihemotra

Tonga ianao.
Tsy manao filazana
fa mamely avy hatrany.

Tonga ianao.
Hitondra fanambinana va?
Tsia!fahoriana

Tonga ianao.
Haka ny velona,
Ho anao tsy misy fetra

Tonga ianao.
Rafahafatesana,mijaly
izay hatrehanao.

Lozanao,lozanao!
Satria tonga ianao
Rafahafatesana mahery
Lozanao dia lozanao!!

Avelao ireo
havako ho ahy!
fa aza entina
ho anao!
Lasa ianao!!

Sokajy : Fahafatesana

Hametraka hevitra

Midira aloha