Firaisan-kina (Jeankely Razafimamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ndeha hanandratra ny feo,
Hiara hizotra tsy hitoreo.
Hanavaka ny tena mahaliana ,
Haneho 'lay firaisan-kina.

Hitambatra iray tokoa;
Iray ny saina sy ny fo,
Fihavanana no tadidiana,
Dia ilay firaisan-kina.

Fiarahana amin'izay atao;
Hiasa fa tsy hilalao
Hanondrotra an'i Gasikara
Miraisa-hina mandraisa anjara.

Iray tanindrazana iray rà,
Iray tanjona sy raharaha,
Iray fomba iray fiteny,
Firaisan-kina no miteny.

Tany iray no hilevenana,
'Lay hantenaina tsy hanenenana,
Nosy voadidin-drano,
Firaisan-kina no tazano.

Foko maro mizarazara,
Samy manana tantara,
Iray ihany no nihaviana
Manajà ilay firaisan-kina.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
2013 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjean
Daty : 13/08/2005 17:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099