Gasikara (Jeankely Razafimamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Handrandraiko sy ho lalaiko,
Hotompoiko tsy ho hadinoiko.
Hankatoaviko eram-po,
Madagasikara tsy mba roa.

Diavolan'ny fanahiko,
Manazava izay hitsahiko.
Tanjoko ny hampivoatra;
Gasikara tsara loatra.

Ahy anio sy omaly,
Nampijaly ,nampifaly.
Hantenaiko rahatrizay,
Ilay Madagasikaranay.

Mampatsiahy ireo tantara
Ireo zava-bita tsy voarara
Feno zava-tsoa tokoa,
Ilay Madagasikara soa.

Nosy voadidin-drano,
Vonon-kitantar'angano.
Tany maro voahasa,
Madagasikara miasa.

Iriako ny hanatsara anao,
Arak'izay azo atao.
Ahy ianao mandrakizay,
Ry'lay madagasikaranay.
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1400 1
Mpakafy: Arimalala
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjean
Daty : 02/04/2005 21:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137