gasikarako (Jeankely Razafimamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ô ry gasikara tiako
Mbola eto foana ianao?
Efa ela no nahenoko
Fa hiroso hono ianao

Raha andeha ary ianao
Tsofin-drano sy rariana
Hahantontosa izay atao
Fa tsy hihemotra any aoriana

Mba mandroso mihatsra
Katsaho izay ahitana soa
Havalomy ho tantara
Ny ratsy vita teo aloha


Izay tsara dia tazony
Ho voa mendrika afafy
Ny ratsy kosa ajanony
Haleveno sy totofy mafy
tiako ianao fa taniko....
tsy hafoiko.....
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1330 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjean
Daty : 13/08/2005 18:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142