Hatanorana - Jeankely Razafimamonjy
Azo vakiana?
Hatanorana haingam-pamindra
Ilay nahitana ny tsara indrindra
'Lay lokom-pitia tena voarindra
Izay tena marevaka sady mirindra
Nahenoana ilay feom-prara
Kanto sy meva voahorona tsara
Fitiavana no tena nameno tantara
Mampitandrevaka sy maha-tara
Hatanorana voafehim-potoana
Indro mitady hampiteny ny moana
Loharano misosa sy toa mampitoana
Ny tia sy ny manina no tafahoana
Hatanorana ilay valam-parihy
Nahitana ny ngidy tao anatin'ny fy
'Reo manan'aina ao anaty farihy
Mikalo mihira toa sambatra erý
Hatanorana fanilon'ny lalako
Eo anilan'ilay olo-malalako
Fotona nivoahan'ny aingam-panahiko
Vetsom-borokely manaingo ny sahako
'Lay hatanorana mazána mpanimba
Ireo lova izay navelam-bazimba,
Ny lalan-kizorana mety ho simba
Ny hatanorana mahavatra manimba.
(jb Razafimamonjy)
Mombamomba
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjeanDaty : 10/02/2005
Mpamangy : 1479
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RediredyTempon'ny fo
Mila ny tia
Babonao
Hianao irery
Poezia malahelo
Iny fitiavana iny
niandry
nofy ratsy
Ho anao