Namana (Jeankely Razafimamonjy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza moa no atao hoe namana?
Inona no hilàna namana ?
Mahasoa ve ny namana?
Inona no maha namana ?

Ny namana dia ireo olona
Mikely aina sy mitolona
Manao 'zay hahafaly anao
Amin'izay zavatra atao

Ny namana dia famonjena
Mitsinjo anao raha sendra lena
Mamonjy anao tsy miady varotra
raha sendra tojo zava-tsarotra

Ny namana ihany koa
dia mety ho ratsy loha
Dia ny namana mpamitaka
'Ilay mahavoa dia misintaka

Ny atao hoe tena namana
Mahita ny fahasahiranana
Miara mizaka ny alahelo
Mamboraka tsiambaratelo

Ny namana dia eo akaiky
Mahay mandà sy manaiky
Manapa-kevitra sy manontany
Mihevitra ny tsara hatrany

Ny namana dia hatokiana
Hizara hatrany ny hafaliana
ny namana dia zava-tsoa
Nomen'ilay Ray Tsitoha.
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
3840 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjean
Daty : 13/08/2005 17:54
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143