You are here: home > Vetso

Ny zaza - Jeankely Razafimamonjy

Azo vakiana?

Ny zaza hendry tia madio
no ilainay ,anio
solofo mendrika ny tany
no andrasan'ity akany
Zaza hendry mankatoa
mora hanarina,tsy mafy loha
miran-tsaina falifaly
lian-tsoa sy miangaly
Ho ravoravo Gasikara
fa zaza mendrika ny tsara
mazoto,tsy mba maivan-doha
haren-tsaina no milaloha
Ny mamalivaly Ray sy Reny
toa tantara ratsy ireny
manaja an'i zoky koa
no adidy faharoa
Zaza tsara kolokolo
no tena mendrika hanolo
ho mpitondra rahatrizay
izay no andrandrainay
Gasikara rahampitso ianao
hanondrotra sy hanavao
mpitari-dalana mahay
izany no katsahinay.

Sokajy : Fianakaviana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy

Nampiditra : gasyjean
Daty : 15/04/2005
Mpamangy : 1637
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Rediredy
Tempon'ny fo
Mila ny tia
Babonao
Hianao irery
Poezia malahelo
Iny fitiavana iny
niandry
nofy ratsy
Ho anao