You are here: home > Vetso

Ra fotoana - Jeankely Razafimamonjy

Azo vakiana?

Toa manao dia maika ery izato ianao,
Ry fotoana?
Iza no enjehinao, mba lazao,
Ry fotoana?
Mba endraso aho,hanampiako anao
Ra fotoana!
Fa angaha mahery izato fahavalo ,
Ry fotoana?
No tsy sahinao hatakalo,
Ry fotoana?
Fa misy inona any aloha any
Ra fotoana?
Mba hizarao izay azonao aho ,
Ra fotoana ô!
Mba hiarahako mifaly aminao.
Ra fotoana !
  Miverena re!...

Hevitra mandeha

tia2005 (01/08/2005 11:36:00)

Tena mitovy hevitra aminao aho fa tena mandeha tsy azo ajanona tokoa ilay fotoana ê! ary tena manahirana tokoa !

Hametraka hevitra

Midira aloha