You are here: home > Vetso

Ra vorona - Jeankely Razafimamonjy

Azo vakiana?

Endrey!zato hakinganao,
Ravorona manidina.
Mikopakopak'elatra eny ambony mitatao,
lasa nisidina.
Mba ampindramo ahy ,
ny elatrao,
Handehanako am-panahy
raha azo atao.
Ny kiokiokao manintona ny sofina ,
Ra vorona Ô
Ravin-kazo no mba tsofina ,
mba ho toa anao.
Iriko mafy ny ho tahaka anao,
tsy misy tsiny.
Ny kopakopaka malefakao,
tahakan'iny.
Sangisangy am-piralahiana,
maha-te ho tia
Ankiafinafina mahaliana,
maha-be fitia.
Ento ho namanao aho ,
ra-voron-tiako!
Eo anilanao aho
izay no faniriako
Hirahiram-pahasambarana ,
sy fifaliana
kalokalo am-baravarana ,
mahaliana
.     Iriako ny ho toa anao.........
         feno hery vaovao.....
            ento aho....
              ho anao..

Sokajy : Hambom-po

Hametraka hevitra

Midira aloha