You are here: home > Vetso

Tanjona - Jeankely Razafimamonjy

Azo vakiana?

Varian-dalao'zato fahazazana
Mbola mamikitra sy tena mitana
Mibitaka,mandrifatra fa afa-mandeha
Manitsy'izay hita fa azo aleha

Tanora famindra mjoro,miraika
Mandamina saina tsy mba maika
Mbola ho ela vao ho antitra no fanantenana
Mandranto sy mampitombo  fahalalana

Ela ny ela fa tonga ihany
Ilay andro voalazan'ireo mpaminany
Hijoro ny zaza,taratry ny hoavy
'Lay andro miposaka natokana ho azy

Masoandro mamiratra ,manome hazavana
Andry andrianan'ny fahasalamana
Ravina maitso endrikin' ny ala
Tonga ilay andro tsy manan-tsahala

Resy ny fahazazana sy ny hatanorana
Mandroso ny oran'ny fanatsrana
Lehibe ka vonona hiatrika ny ady
Samy mandeha samy mitady.


Mombamomba

Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy

Nampiditra : gasyjean
Daty : 13/08/2005
Mpamangy : 1029
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Rediredy
Tempon'ny fo
Mila ny tia
Babonao
Hianao irery
Poezia malahelo
Iny fitiavana iny
niandry
nofy ratsy
Ho anao