You are here: home > Vetso

Tempon'ny fo - Jeankely Razafimamonjy

Azo vakiana?

Lay sentoko nangina,tsy hitadidy ny efa lasa;
Nataoko  ho ahy manokana anaty fo mivay;
Nosaronako fanàla,noheveriko voasasa,
Nefa  indro tojo anao ka niverina indray.


Nilaza aho ho mafy tsy hahatsiaro ny  efa ela;
Nihazahaza hatrany izay ho solon-toeranao,
Kinanjo sendra anao ka  bada indray ny lela;
Hiova indray ny tempo tsy ho  hety izay atao.


Gikaiko eran-tany mba ho ren-danitra!
Fa mbola tiako ianao, anio hatramin'izay;
Raha eny hoy ianao,izaho dia ho finaritra;
Fa ny fitiavantsika anie ka ho mandrakizay.

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy

Nampiditra : gasyjean
Daty : 04/10/2014
Mpamangy : 1663
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Rediredy
Mila ny tia
Babonao
Hianao irery
Poezia malahelo
Iny fitiavana iny
niandry
nofy ratsy
Ho anao
¿Aiza?