You are here: home > Vetso

Tsiahy - Jeankely Razafimamonjy

Azo vakiana?

Toa tena mahatsiaro ho irery
Rehefa sendra mahatsiaro
Miondrika tsy maha-jery
Lavitr'ireo sakaiza maro

Tsy mety afaka ao an-doha
Ny zavatra fanao rehetra
Mitamberina avokoa
Maro-be ka tsy voafetra

Manina ny havan-tiana
Any an-tany lavitra any
Tsy ahitana fifaliana,
Fa mitondra alahelo hatrany

Atý an-tanin'olon-kafa
Lavitry ny tanindrazana
Mahatsiaro ho tena hafa
Rehefa tsy eo ireo havana.

Hafa ihany mantsy ilay akany
Naha-be,nahasoa,nikarakara
Toa voatsiahy hatrany
Any ilay Gasikara.

Sokajy : Fahatsiarovana

Hevitra mandeha

nirina02 (07/04/2005 11:47:11)

marina tsara ny volazano
ka mahazoto mamorona fona e!

tia2005 (02/08/2005 10:42:10)

ndrii! malahelo ilay tany niaviana ê! mbola hafa ihany anie ilay dago ê!

ampela (10/09/2005 21:03:14)

mahafinaritra

Hametraka hevitra

Midira aloha