You are here: home > Vetso

Zaza-kamboty - Jeankely Razafimamonjy

Azo vakiana?

Injany voron-kely mitaraina irery
Ao anatin'ny ala toa maizin-kitsoka
Tsy mba misy mpiahy na koa hoe mpijery
Mba hanasitrana ilay maso ditsoka

Nilaozan'i Dada nilaozan'i Neny
Navelany ho amin'ny mandrakizay
Tsy mba misy mpihaino raha mba miteny
Any ka mahatsiaro ho tena iray

Ranomaso no latsaka raha vao mahatsiaro
Ireo tambintamby azo hatrizay
Iza intsony no hantenaina hiaro
Toa tsy hiverina mandrakizay

Hilinkilika no hita ao amin'ny fiaraha-monina
Tokan-tena mantsy ka tsy afaka mioty
NYanaran'i Dada no sisa tononina
Indrisy mantsy fa zaza-kamboty

Izany angaha ny niangaran'ny vintana?
Mampitomany mampilatsa-dranomaso
Voahavaka sa voajonon'ny fintana?
Mampionon-tena nohon'ny ankaso.

Sokajy : Fiononana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy

Nampiditra : gasyjean
Daty : 10/02/2005
Mpamangy : 1471
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Rediredy
Tempon'ny fo
Mila ny tia
Babonao
Hianao irery
Poezia malahelo
Iny fitiavana iny
niandry
nofy ratsy
Ho anao