ILAY FIANGAVIANA! (RH Mayam)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra an'iRanoly namaly ilay tononkalo FIANGAVIANA.

ILAY FIANGAVIANA
Andro harivariva,
mivolom-bolamenan'ny masoandro iva

Nandona moramora ny varavarana aho,
niditra ny trano.
Reny iray nifokofoko sy manganohano
no nanatrika ahy teo.
Nisefosefo fiaina, tsy nahavoaka feo...

Noraisiko ny tanany
Dia notoniako teo ny alahelony ny zanany.
Notantaraiko taminy
fa miadana finaritra ilay sombinaina maminy
any lavitra any:
miaina am-pifaliana, sanatria izay hitomany.

Nambarako azy koa
fa manana herin-tsaina, manana herim-po
ilay zanany any izay
ka velon-tsiky miatrika ny ady mahamay.

Ny nolazaiko farany
dia hoe salama tsara am-pamitana ny fianarany
ilay silaky ny fony
ka tsisy manahirana sy mampanahy intsony...

Avy eo natolotro ny tanako,
fa nigadona ny ora tsy maintsy andehanako,
hamony ny fodiana.
Hitako ilay reny fa ampoka hafaliana;
dia tsikim-pahasambarana
no nentiny nitsangana nanidy varavarana.

Eritreritra ny sisa nibitsika ahy nangina:
"Tanteraka ilay fiangaviana"
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1173 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RH Mayam
Nampiditra : hery3
Daty : 23/09/2015 16:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136