INY DIAM-PENIKO INY (RH Mayam)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny diam-peniko iny
mba araho maso kely,
Fa mbola zazakely
mianatra miteny;
Mbola fanahin-jaza,
ka aza atao mahagaga
raha miteniteny foana,
na mivolan-tsy tsaroana.

Iny diam-peniko iny
aza dia melohinao
fa zanako iny mantsy!
Mbola mila nonon-dreny
hoentiny ho vatsy
Ka ahitsio fa adala!
Aza omena tsiny
raha mbola tsy mahalala.

Iny diam-peniko iny
no namako ianteherako
amin'izao adiko izao
Ka amin'ny andro fahanterako,
dia izy indray no hikolo
sy hanangana ireo rava
Fa izaho kosa...hikombom-bava!
Ka ny iangaviako anao
raha tena sitrakao!
Iny diam-peniko iny...
aza dia omena tsiny.
--------
Rohy:
Sokajy : Soratra
312 1
Mpakafy: hery3
Hevitra mandeha
hery3 ( 07/07/2015 17:08)
Mahatsapa ny tena fa na mba manoratra aza dia tsy lavorary. Izany no nanainga ny fanahiko hanoratra ity hoe: iny diam-peniko iny.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RH Mayam
Nampiditra : hery3
Daty : 07/07/2015 15:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0926