ANJARAKO - RHAd
Azo vakiana?
Maty androany lay anjarako
Maty tsy nialako nenina
Ka navelako ho ny penina
No handaotra anao ny tantarako
Anjara, rotiky ny jaly
Tototry ny ratra foana
Ana, ankon'ny tomany
Vonton-tsento sy misaona
Anjara, loko bambaray
Nifototra amin'ny fahoriana
Ka ranomaso tsy afa-dina
No rano mba narosony ahy
Dia feno fangitr’alahelo
Ny soratry ny fahavelomako
Niara-niosina taraina
Ny vahatra ifatorako
Fa n’aiza n’aiza misy ahy
N’iza n’iza efa nandà
Hiombon-kitsak’amin’ny zarako
Very remby Ianao ry sahako
Mombamomba
Mpanoratra : RHAd

Nampiditra : RHAd
Daty : 09/06/2011
Mpamangy : 1253
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RY MALALA !NY TANTARAKO
RESIN'NY TIANA
RAIKI-PITIA
VOADY
Faran'ny Noely
V I T A
ART D'AILLEURS
L’ENTRAVE
SI MON CŒUR