Ilay fitia tsy tanteraka - RIVIERE Andrianantenaina Jean Michaël
Azo vakiana?
Indrisy mantsy ry fiainana, fa lasa izy
Tsy hita izy, tsy hita intsony mba hitarainana
Very aho , tena very satria maty ilay fitia
Lasa izy ka namoy, namoy ny ilay fitia
Fitia tena matotra no nomeko azy
Kanefa ny azy nataony ho vazivazy
Fitia tsy voasolo fa tsara kolokolo ny ahy
Kanefa izy nanao toy ny lolo
Azo lazaina hoe tsara ny lolo
kanefa mifindra atsy mifindra aro
Hita fa mampiroboro ny famoazam-boha
Kanefa ny nalazo fa tsy namoha
Voaloto mantsy hono ny sainy
Nolazainy tamiko izay nolazainy
Fa hoe nariko hono izy, no sady adinoko
Kanefa ilay te hisolo toerana no namono voka
Mombamomba
Mpanoratra : RIVIERE Andrianantenaina Jean Michaël
Nampiditra : kartofelnDaty : 10/04/2004
Mpamangy : 2851
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny fitiavanaoHery ny fitiavanao
Ny sasany