Ny fitiavanao - RIVIERE Andrianantenaina Jean Michaël
Azo vakiana?
Izaho ilay notiavinao nandritra ny taona maro
Kanefa itako izao fa ny fitia nomenao fity mifangaro
Eny tsy ahy intsony ianao ankehitriny,
Satria lasa niaraka, nanaraka iny olon'iny
Fahiny mantsy raha niaraka isika
Toa ohatra ny hitako fa hiadana isika
Kinanjo fijery tsy tanteraka ny ahy
Ka nanjary nanimba ity fo amam-panahy
Herin'andro tokoa izay no nifandaozana
Tsapako ankehitriny fa izaho no nifanainina n'laozana
Nahavesatra tamiko izany
Ka nainga namporisika ahy hadao ny tany
Hitako fa ilay fitiavan nomenao
Hay kay toa fitiavana kilalao
Fitiavana toa fanarian-dy ny anao
Leo ankehitriny ka lasa nandao.
Tonga eny andro , volana
Hoy aho hoe tsy ianao irery no mahay volana
Samy mahay raha mbola olmbelona ihany
Satria izany no nametrahana azy ho ety an-tany
Mombamomba
Mpanoratra : RIVIERE Andrianantenaina Jean Michaël
Nampiditra : kartofelnDaty : 23/11/2003
Mpamangy : 1546
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Hery ny fitiavanaoNy sasany
Ilay fitia tsy tanteraka