FATRA TSY SAHALA (ROJOSALOHY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FATRA TSY SAHALA
Aza hitserana aho raha mba tia anao
Aza hivaivaina ny hadalan'ny foko
Tsy fantatro hoe nahoana ny fitiavako,
No niantsampy ho eo aminao
Fantatro fa tsy maintsy ho ailikao izany
Fantatro fa tsy afaka ny hitia ahy ianao
Toy izay fomba mety hitiavako anao
Tsy laviko fa hadalana tsotry izao ny ahy
Eny, na izaho aza manontany tena indraindray
NAHOANA?
Tsy ny hotiavinao no tanjoko fa ny ho tia anao
Satria fantatro fa tsy hahafeno ny sinim-pitiavako
Raha izay fitia azonao zaraina amiko
Lehibe loatra izany
K'aleoko mamela azy ho banga lalandava
Mba haharetan'ny faniriako ho tia anao
Satria rehefa fantatro fa tsy afaka ny hitia ahy ianao
Dia minia mitia anao aho........

ROOSALOHY
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1082 1
Mpakafy: rojosalohy
Hevitra mandeha
rojosalohy ( 11/01/2012 12:42)
Misy feo tsy haiko hampanginina ao anatiko ao
Dia ilay feon'ny fitiavako anao
Fanahy iniako tsy henoina fa injao manako hatrany
Fantatro anefa ny hiafarany
Tsy maintsy fo maratra hatrany

Dia aleoko minia tsy mandre
Aleoko mampangina ilay fitia
Satria tsy ho ahy ianao tsinona
Efa an'olon-kafa hatrizay
Dia aleoko mikomy mangina irery!

Fitiavako mahantra!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ROJOSALOHY
Nampiditra : rojosalohy
Daty : 27/12/2008 11:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136