RAHA TOA KA............... (ROJOSALOHY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TOA KA.............

Raha toa indray andro any ka tsy afaka ny hitia ahy intsony ianao
Raha toa ka ho avy ilay fotoana
Hanatrehantsika ilay rindrina farany
Hahazoantsika miara-dia
Raha toa ka izay andro izay
No hanalan'ny hafa anao ety amiko
Jereo mangina ny masoko
Topazy maso ireo lasa niaraha-namita
Iteneno izay mety handratra ny foko aho
Eny, miangavy aho, tereo aho hankahala anao
Satria raha tsy mankahala anao aho
Dia ho tia anao foana
Hanota amin'ny fitiavana anao ny foko
Ka tsy hahay hitso-drano anao
Lazao aho fa neninao ny lasa teo anilako
Lazao aho fa naleonao tsy nanan-tantaram-pitiavana raha fantatrao fa hisy ny fisiako
Hilazao aho fa teny araraka toy ny rano tsy manan-toeran-kasiana ny "tiako ianao" nolazainao
Poteho aho, roteho ary amelao holatra mandrakizay
Satria ny lasanao tsy alaiko intsony
Ary ny aty amiko ho tehiriziko ihany koa
Mianiana aminao aho fa niara-lasanao
Ny tenako sy ny foko
Ary hiriko hiara-potehinao
Ny fitiavako sy ny fiainako
Satria tsy ho tia intsony aho
Fa hisaona mandrakizay
Ilay fitia niombonana

ROJOSALOHY
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1085 2
Mpakafy: Tokinao - rojosalohy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ROJOSALOHY
Nampiditra : rojosalohy
Daty : 27/12/2008 11:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143