AZA HITAKO (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA HITAKO

Raha toa moa ka manetoka, ka tsy hahazoako intsony valiny
Raha toa moa ka mangina, ka tsy hisy antso sy ny tariny
Raha toa moa ka adinonao, sanatriaviko ihany
Ny manoratra sy miantso, aza misy anie izany

Dia inona no ndeha hataoko, na koa azoko atao
Afa-tsy mangina ihany, tsy afaka na hitalaho
Dia hiverina indray, hangatsiaka sy hanjombona
Handongilongy lava foana, ary tena tsy hahatombona

Raha toa moa ka tarangana, tapaka ny fifandraisana
Dia haiko ve ny hampangina, ireo tantara izay niraisana
Dia haiko ve ny hanadino, ireo devolikelintsika
Ka ireo anjelikely indray, no ho namana amin’ny sisa ?

Dia ho haiko ve izany, na haiko aza hotanteraka ?
Toa sarotra hinoana ihany, raha tsy hoe izaho no reraka
Kanefa raha ny anio dia nofy, izay hangina ka hanaiky
Fa manantena be hatrany, ilay antsonao hoe manakaiky

Nefa ny ao anatiko ao, feno vavaka sy hataka
Mba hampihaony re zahay, ampifanantony aza hahataka
Mba vahao moa re izay olana, mety hoe manjo azy any
Ka ho vetivety indray, dia hihaona izahay ka hihanihany
--------
Rohy:
1308 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01