DIA AHOANA (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia ahoana . . .
Dia nitantara ianao, nilaza, nitantara
hoe ilay isika roa efa tena nety tsara
f'ilay fitia no nahazo faka lalina
ka tsy ahitanao tory intsony ny alina

Dia ahoana . . .
Dia aleo isika samy handinika izany
hisaintsaina ny any anatiny avy any
dia afaka andro vitsy indray mitafa
f'aleo hiresaka, hijery zavatra hafa

Dia ahoana . . .
Dia nangina isika tsy nifampijery
ny maso amin'izay manao fangala-piery
dia iny aho fa nikisaka nanantona
tsy nahateny fa ny feo an-tenda mihantona

Dia ahoana . . .
Dia ianao koa mody adala nefa miandry
hotrotroiko ka hiondana eo an-tsandry
hotambazako, hosafoiko, hofihiniko,
hobedaiko k'eo an-drindrina hankiniko

Dia ahoana . . .
Dia iny isika fa miaraka manavy
ireo sefo ny re manao be fiavy
dia iny isika nanadino izato olana
ny vatatsika ireo mifamatotra, miolana

Dia ahoana . . .
Dia nitohy kely indray re ny tantara,
tsy misy te hahalala izay fiafara
adino ireo rehetra vao nambara
fa avy hatrany isika tetsy am-parafara
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
951 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146