HANDEFITRA AHO (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANDEFITRA AHO

Raha toa ve isika no ndeha hifampizara
Dia ahoana re no atao, sao dia mba tantara !!!!

Fa andeha izao no atao, izaho aleo handefitra
Aleo re ho anareo ny trano sy ny efitra

Ka ho an’ialahy izay rehetra ofisialy
Fa mba ho ahy kosa , ilay jery falifaly

An’ialahy ny sonia sy ny mariazy
Fa ahy kosa ny fo sy ny vazivazy

An’ialahy ny lakozia sy ny tokantrano
Fa izy kosa aty, no hiala hamohamo

An’ialahy ny anarana sy ny voninahitra
Fa aty amiko izy hanapatapak’ahitra

An’ialahy ilay fiantso “ramatoa” na “vady”
Fa ny angola aty amiko izy no mitady

An’ialahy ny rehetra fomba fijery ivelany
Fa izay ao anatiny, aty amiko ny erany

An’ialahy ny pasoka sy ny sasa-lamba
Fa ny tsikiny efa ahy, nomeny tsy nihamba

An’ialahy ny rehetra mety hoe fombafomba
Fa ny ahy sy ny anay, dia ny tsikombakomba

An’ialahy ny tsiniko, sy ny alahelo
Fa ny ahy sy ny anay, dia ny tsiambaratelo

An’ialahy ny valy, ary ny rafozana
Fa ny ahy sy ny anay, fitiavan-ts’ivalozana

An’ialahy daholo, ny seho ety ivelany
Fa ny ahy ny fony , nomeny tsy noferany

An’ialahy daholo izay resaka birao
Ny ambiny anay ts’isy izao sy izao

Koa raha nandinika aho, soa aho fa nandefitra
Raha ialahy no tamin’ny toerako, haiko ho tsy nilefitra

Koa aleo izao ihany, no lalana izorana
Ireo nomeny antsika andao no hifotorana
--------
Rohy:
3027 2
Hevitra mandeha
pissoa ( 28/03/2006 14:00)
Mahaiza mandefitra

Tsy misy fantatro angamba
N'inona n'inona nitranga,
Fa raha efa vita mariazy,
Dia aokanao fa efa AZY!!!

Tsy misy hilana fizarana
Fa izy irery no aoka hitana!
Na ny hita ety ivelany
Na ny ao am-po dia samy aferany!

Amboaro ny ao an-tsaina,
Rehefa azy dia aza alaina!
Mba ovao ny fomba fiady,
Ndeha any an-kafa ianao mitady.

Tsy misy hoe tokontany sy efitra,
Fa mahaiza ianao "mandefitra"
scotlandyard ( 28/03/2006 20:35)
Eny Pissoa tsy fantatrao
Izay nitranga hatramin’izao
Ka izay no nahatonga anao
Hilaza hoe aok’izao

Na tsy hisy aza fizarana
Fa nofatoran’ny lalàna
Ka aleo azy ny ivelany
Sy ny rehetra ho aferany

Zaho tsy mba hanamboatra saina
Amiko zany tsy ilaina
Ka ny hanova fomba fiady
Tsy ataoko na dia hiady

Ka moa ve izaho tsy efa nandefitra
Raha nanome azy ilay efitra
Ryana ( 25/02/2007 17:39)

Tsy mandefitra fotsiny, fa...

OMEO AZY

Ireo angolan-teny mamy nokasainao handrotsiana
Izay mety ho takarivantsika;
Ireo nofinofy mamy nokoboninao mangina
Hanazava ny alintsika;

Ireo fihetseham-po izay tsy azonao notànana
Rehefa isika mba nihaona;
Hafaliana anaty koa izay tsy azo nosakanana,
Tsy voazava hoe nahoana;

Ireo masonao sariaka, midorehitra fitia,
Taratry ny hafaliana;
Ireo tsikinao baliaka toa milaza f’ho doria…
Satria tia ianao ka tiana;

Ireny fotoana mamy ireny, na fara-fiononako aza,
Omeo azy ts’isy fetra,
Omeo azy tsy an-kiteny satria ef’izy no sahazan’
ny sisa andronao rehetra.

Ryana
(15/12/06)
scotlandyard ( 27/02/2007 19:20)
Ho setrin'ny tononkalon'i Ryana hoe OMEO AZY
Ary mbola atolotra an'i pissoa ihany koa ho setrin'ilay hoe MAHAIZA MANDEFITRA

EFA NOMEKO

Efa nomeko azy, ny tso-drano sy hafatra
hahafahany miaina, fitia feno sy lafatra

Efa nomeko azy, ny tsikombakomba
efa mangina aho, sy mahalala fomba

Efa nomeko sy naveriko, ny sangy vazivazy
izao vao tena haiko, ny dikan'ny mariazy

Efa nomeko sy naveriko, ireo tosy s'ireo dola
hampirobo ny azy, ireo oroka sy angola

Efa nofafako, ilay adiresiny
ka teny hoe "adinoy", no nataoko setriny

Efa tsy nantsoiko intsony ny anarany
ilay indray andro iny, angamba sisa farany

Efa tsy nofisiko, ilay fahininay
efa novonoiko, ilay hoe "izahay"

Efa maso hafa ny fijeriko azy,
ilay maso mangatsiaka manefa izato sazy

Fa ...

Ny hany sisa adinoko, angamba tsy ho tsiniko
ilay Fitia mireda, anatiko fihiniko
Fa tsy ataoko fantany, ny fisian'izany,
Fa gadraiko, sy gejaiko, ho ahy irery ihany

Soarilala ( 06/06/2012 21:47)
Koa samia mahay mandefitra ary !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105