You are here: home > Vetso

MAFANA - SCOTLANDYARD

Azo vakiana?

MAFANA

Mafana be ny ahy ny sofina
rehefa mifampiantso isika,
ary ilay hovitra an-damosina
tsy mba vokatry ny hatsiaka

Mihamafana koa ny tanako,
rehefa hikasika anao
indrindra moa ilay havanako,
ilay efa zatra anilanao,

hatramin ny vatako mafana
raha mifanila izaho sy ianao
ilay foko moa tsy tana
miredareda tsotr'izao

ny tena izy raha fintinina
izaho feno hafanam-pitia
k'izay hatsiakan ny ririnina
resy raha vao eo indry

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

tiff (14/03/2009 14:00:03)

tena hainao ny mtatara azy e

scotlandyard (24/03/2009 10:34:18)

tantara iny ka tantara
ianao mpamaky no aoka hitsara

Hametraka hevitra

Midira aloha