MITOVY IZANY ISIKA (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITOVY IZANY ISIKA

mitovy isika izany
hoy ny teninao
dia azoko am-binany
izay ao anatinao

mitovy isika izany
marina tokoa
efa tamin izany
tsy izay ve moa ?

mitovy isika izany
izaho tena manaiky
satria tsapako hatrany
izaho mbola taraiky

mitovy isika izany
rehefa mijery sary
dia any anaty any
misy tsongo maharary

mitovy isika izany
ary hitovy hatrany am-parany
satria satrintsika hatrany
ny tantara tsy hisy farany ...
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1150 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105