MOA TSY IANAO INDRINDRA VA ? (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MOA TSY IANAO INDRINDRA VA ?

Moa tsy ianao indrindra va ?
No ilay fakam-panahy
Nanaitra ilay aingam-panahy ?

Eny, ekeko ianao indrindra
No nanesika ahy handrindra
Ireo tononkalo mba hirindra

Moa tsy ianao indrindra va ?
No ilay devoly izay nitarika ahy
Hanoratra fa mahatsiahy ?

Eny ekeko fa ianao
No nanosika ahy hanao
Izao rehetra vetsoko izao

Moa tsy ianao indrindra va ?
No ilay fahotana nampivaha
Ilay fahendrena tsy niahy ?

Eny mbola ekeko ihany
F’ireo lainga natao tany
Nataoko noho ianao hatrany

Moa tsy ianao indrindra va ?
No ilay ditraditra sahisahy
Ka tsy resiko ny handà ?

Eny ekeko, tena ekeko
Fa raha vao ny feonao no reko
Dia rava izay marina nekeko
--------
Rohy:
931 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011