NAMPISENTO LALINA (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMPISENTO LALINA

Nampisento lalina
Ilay nofiratsiko alina
Ka saika tsy hambarako

Saika hoe afeniko
Ary tsy teneniko
Sy gejaiko ho tantarako

Kanefa fantatrao
Hoe ts’isy ahy sy anao
Koa dia hibaradahako

..................

Raha ilay taintainako
Sy nofy ratsy niainako
No lazaiko anao

Raha ilay tebitebiko
Ilay tahotra sy bediko
No tantaraiko anao

Raha ilay feritr’aiko
Sy jaly nogadraiko
Tsy hino angamba ianao

Kanefa dia androany
Nisinda re izany
Zary aloka niserana

Nampitonianao ny saiko
Vao azoko ny aiko
Hay diso fiheverana

K’ankehitriny indray
Ity aingam-po iray
Nalefa tsy noferana

.....................

Satria efa voazara
Izay zavatra tsy tsara
Izay aho fa nitony

K’ilay nofiratsiko
Ilay fandry an-driran’antsiko
Tsy hisy fanindroany

K’izao aho tena faly
Tsy tahaka ilay omaly
Tsy hisy lonilony
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Ahiahy
1362 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107