NIEZAKA (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
. . .

Niezaka aho mba tsy hangovitra
Niezaka aho mba tsy ho resy
Ny foko iriko tsy ho rovitra
Amin’ny antsonao misesy

Niezaka aho tsy hangoritsina
Niezaka aho tsy hotsembo-tanana
Ny saiko iriko tsy hihotsona
Maharay ilay sora-tanana

Kanefa

Ireo rehetra rehetra ireo
Tsy misy iray izay voafehy
Fa dia resy toy ilay teo
Raha vao ny feonao no re

Resy foana , resy mihitsy
Mbola resy, resy ihany,
Ilay soratrao toa tsy mitsitsy
Fa mampangorana avy hatrany

Na izany aza

Mitohiza, miantsoa
Mbola averiko, anteriko
Fa ilay antsonao tokoa
No mampitombo indray ny heriko

Manoratà, mamalia
Iangaviako aza mitsahatra
Mampiampita ilay Fitia
Raha izay sisa re no Lahatra

Dia izao

Tsarovy Izy mbola adaladala
Manantenantena anao
Manonofy hoe “Malala”
Indray andro any iantsoany anao

Tsy maninona moa o !

Aleo izy hanonofy
Hiaina izany hadalany
K’ilay antsonao ho tosy
Ilay soratrao ho fiangolany


Farany

Ilay hira norenesina
Ilay “tsy navela hiara-dia”
Iny foana re ventesina
Ho hirantsika, sy Fitia

Tsy hay na hoe tsy navela
Na sahirana nifidy
Fa andrasako ny ela
Sao dia miova ilay safidy

Eny

Dia veloma indray ianao
Dia veloma vetivety
Andrasako ny antsonao
Dia miantsoa rehefa mety

Dia veloma indray ianao
Dia veloma, dia valio
Ireo izay mail azonao
Nosoratako anio

Dia

Mamikely mamibe
Sy Fitia mitafotafo
Mbola atolotro an’ise
Ampiana nofy feno safo

. . .
--------
Rohy:
1469 0
Hevitra mandeha
Ryana ( 25/02/2007 16:52)
azo atao tantara ny tononkalonao mifanesy...
Mankasitraka.
Ryana
scotlandyard ( 27/02/2007 19:33)
ka tantara mihitsy ange ireo e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142