RAHA HAINAO (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA HAINAO

Vao nifoha anio maraina,
Dia ny zavatra ao an-tsaina
Alohan’ny zava-drehetra
Kinga tsy nitaredretra
Dia ny hanoratra ho anao
Hamela izao tononkalo izao

Raha hainao : nandritra ny aliko
Dia tao ianao, toa voangaliko
Tamin’ny resaka sy teny
Niaraha-nofisintsika ireny

Raha hainao : tanaty nofiko
Dia tao ianao, ilay tositosiko
Tamin’hanta sy angola
Tam-pitiavana tsy tola

Raha hainao : ilay hafanana
Nampangotraka ahy mazàna
Ka nampatsemboka ny handriko
Ilay nofy anao hoe : andefimandriko

Raha hainao : ilay fijeriko
Niampy ireo teniteny ireriko
Dia jery lefaka ho anao
Sy teny mamy izay tianao

Raha hainao, fa ilay feo
Heno omaly toa vao eo
Satria ilay akony tsy tandriko
Fa nameno tsindrimandriko

Raha hainao, fa tsy tsinahy
Ianao no vatana namihina ahy
Eny ilay nofo nofihiniko
Tamin’ny nofiko aza tsiniko

Raha hainao fa ny hadalana
Sy ny ditra izay tsy tanà
Tanaty nofiko omaly alina
Dia nifono hevi-dalina

Raha hainao , fa vao nifoha
Dia ianao no tao an-doha
Satria ilay nofinofiko alina
Nofy mamy sady lalina

Ka vao nifoha anio maraina
Dia tena lasa ny ahy ny saina
Fa lasa any aminao daholo
Izaho iray manontolo
Ka izay sisa ho an’ny sasany
Toa tsy hisy ambiny ho lasany
--------
Rohy:
1475 1
Mpakafy: raozigasy
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 22/04/2006 21:04)
hummm! tsara be!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0248