You are here: home > Vetso

VETSOVETSO - SCOTLANDYARD

Azo vakiana?

ny vetsovetsoko rehetra,
ireo nofinofy tsy voafetra
tiako hitambarana aminao
mbola any hatramin'izao

fa ny anjarako no dify
ka tsy afaka na dia hiampify
hiandry sombina fitia
eny na dia kely akia

ka biz'oroka no alefa
tsy andrasam-baliny anefa
satria haintsika ny tantara
ny fiainanao koa mety tsara

koa dia mahereza ianao,
tandremo vizaka fandrao,
misy akony amin'ilay vahiny,
ilay tsy antsika, ... ts'isy tsiny

dia veloma vetivety,
hitako ny fiainanao fa mety
ny ahy koa iriko ho toy izany,
nefa mba manoratà ihany

Hametraka hevitra

Midira aloha