You are here: home > Vetso

ZARIDAINA - SCOTLANDYARD

Azo vakiana?

ZARIDAINA

Ao an-jaridainany ao, misy voninkazo iray
Miavaka amin’ny rehetra, misy hanitra tsy hay,

Ao an-jaridainako ao, misy laingo hafakely,
Fa na dia ny maminy aza, ifandrombahanan’ny tantely,

Ianao ao an-jaridainany, voaaro sy voakolo,
Tsy tiany ho simba na halazo, hatakalo, na hasolo

Izy ao an-jaridainako, manantena voa tsara,
Ka na ny faniriny aza, maka faka ho tantara,

Fa ao an-jaridainantsika, ao no lafatra indrindra,
Fa zaridainam-pitiavana, zaridaina tsara rindra

Ao an-jaridainantsika , hitako ao maniry tsara
Ilay vonikazo tsara indrindra, ilay vonikazo voarara

Any an-jaridainany avy, samia mikolokolo ny azy,
Na izaho na ianao, aoka tsy hivazivazy

Fa ao an-jaridainantsika, ilay antsika roa mitokana
Ao isika no hikolo, izay antsika roa manokana
Ao isika hanonofy, izay voninkazo tian-kitsiry
Ka ndao tondrahana fitia, ilay raozintsika haniry

03-03-06

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

Malalason (24/03/2006 13:30:02)

ok

scotlandyard (28/03/2006 07:02:34)

ok malalason

bichette (28/03/2006 09:29:25)

tiako be ilay tonokalonao

scotlandyard (28/03/2006 09:51:19)

misaotra bichette

Hametraka hevitra

Midira aloha