Tso-drano (Singam-pitia saropady (MAHARITRA))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany....Tsy angano tantaraina
Na nofinofin' ny alina
Tsy sarisary an-tsaina
Fa ny saiko no niharina
Nifoha sy nahatsapa
Hoe androany...
Dimy ambiny enimbolo sy telonjato andro
Niaretako hirifiry noho ireo tsiaro anao
Anio aho hitso-drano
Hoe sambara ianao malala
Fa vonona ny foko
Hikosoka ny tsiaro
Hamafa ireo tadidy
Androany...
Androany aho no hamela
Ny fonao hisambarany
Ho ekeko koa manomboka eto
Ny hiantsoany anao malalany
Ho faranako eto
Ireo vavaka niangavy
Ny hiverenanao ?
Amin'ny fo madio ?
No hanekeko anio
Hoe hamela anao
Ho voky fahasambarana
Tsy harahin-dranomasoko ?
#Singam_pitia_Saropady ✍?❤️
>>27012025 ❤️? >> 27012026
--------
Lien:
Catégorie :
Fahatsiarovana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Singam-pitia saropady (MAHARITRA)Inséré par : SingampitiaSaropady
Date : 27/01/2026 15:56
