VINA (Singam-pitia saropady (MAHARITRA))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VINA

Indraindray tiana hiverenana ny lasa efa dila
Tiana ho fohazina  ny tranga efa lasa
Indraindray te ho hatamberina ny ora sy minitra
Tsaroana tena mamy

Misy koa fotoana
Hianohana hasambarana
Dia
Eo tianao hijanonana
Irianao hoe ahato

Fa indraindray misy koa
segondra mangidy
Tianao hitsambikinana
Dia...
misy minitra
Sitrakao raha toa dinganina
Rehefa mamirifiry
Ny sedra handalovana

Mety ho tsara ireo raha
Misy iray tontosa
Fa ny eo aloha hiainana
Ankamamio hatrany
faa izany no atao hoe fiainana ??


Singam-pitia Saropady ✍??
--------
Rohy:
34 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Singam-pitia saropady (MAHARITRA)
Nampiditra : SingampitiaSaropady
Daty : 20/03/2026 13:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117