Nofy (Sitraka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanonofy


Nanonofy aho hoe:
Nilamina ny tany
Vita ny krizy
Ka tsy nisy intsony re
ilay feom-basy sesilany
Nampahory ny ankizy.


Nanonofy ihany koa
Fa tabataba,
Kitakita
Dia nilamina avokoa
Ka ny fandrahonana, kotaba
Lasa hira sy mozika.


Nanonofy hoe : rava
Ny ady sady fifandirana
nampitsahatra fianarana
Ny tafondro marovava
S'ireo basy nitifirana
Lasa angady namokarana.


Nanonofy hoe: nilamina am'zay
Ny adilahy politika
Ary koa ny ady seza
Ka fitoniana fahizay
No manjaka eto amintsika
Fihavanana mateza.


Hay nofy ihany
Tsy nisy zavatra nitsahatra
Nitohy ihany ny ady
Satria mbola ao hatrany
'Reo nitokona, nilahatra
sy vavam-basy ambavahady.


Sitraka: 25 nov 2011
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1080 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sitraka
Nampiditra : sitraka feno tanteraka
Daty : 21/06/2015 04:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135