Raha anio (Sitraka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha anio


Raha anio no ora farany
Raha androany sisa andro
Ahafahako miteny
Mitonona ny anarany
Eto ambany masoandro
Dia izao no tiako ho reny:


Raha anio no fotoana
Farany ananako
Ahafahako mitia
Dia ho gina aho sady moana
…handray penina ny tanako
Ho anao no anoratako ity
tononkalo ity.


Ny hiakan’ny fitiavako
Izay tsy maty hatramin’izay
Ary reko hatramin’izao
Fa ianao ilay hay havako
Voasoratra ho ahy
Nefa...niova endrika vaovao.


Tsy izaho intsony no hiteny
Sanatria izay hanadino
Fa ny foko no hitempo
Ka hotsaroako ombieny ombieny
Ilay fitia toa tsy nampino
Nefa hifarana hatreto.


Ka mamelà ahy ianao
Androany… androany ihany
Mba hilaza moramora
Fa ny foko hatrizao
Mbola tia anao hatrany
Na dia anio no sisa ora.


Raha indray andro any
KA mahatsiahy ahy ianao
Dia jereo ity hafatro ity
Hoe izaho mbola eto ihany
Mbola eto akaikinao
Saingy tsy afaka mitia.


Sitraka : 08 sept 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1059 0
Hevitra mandeha
Mikalofitia ( 21/06/2015 07:39)
Tsara be ilay tononkalo!Tena mapisento mihitsy!!!!!
sitraka feno tanteraka ( 01/07/2015 05:21)
misaotra nitsidika e. arindran'ny kanto eto isika.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sitraka
Nampiditra : sitraka feno tanteraka
Daty : 21/06/2015 04:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149