poeta (Sitraka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Poeta va ianao?

Poeta hono ianao, sa tsy izany akory?
Sao dia manonofy na koa mbola
matory.
Ny fahitako anao anefa toa mba hendry ihany.
Ny Poeta anie adala e! ts mba toa izany.


Milaza ny tsy misy
Sy mpanaraka vinany,
Angamba tsy ampy visy,
Voadona tany ho any.


Manofinofy foana
Saritsarim-paminany
Mitety ny havoana
ary koa ny vazan-tany.


Amin'ny eritreriny ihany
No anaovany an'izany.
Avy eo, lasalasa saina
Sy mahita holazaina.
Ianao ve toy izany?

SITRAKA
17 février 2015
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1010 1
Mpakafy: rhayman
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sitraka
Nampiditra : sitraka feno tanteraka
Daty : 03/07/2015 05:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137