tsiaro (Sitraka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiaro

Sendra indray nitselatra
Tao anaty diary
no nahitako sary
Tazako nivelatra.

Niampy taratasy kely
Nisy soratra voakaly
Sy nisy teny mamy
Nanaitra ny fijery.

Dia iny nitamberina
Tao anaty fo sy saiko
Ilay teny nolalaiko
Indro aho fa niverina
Niteny hoe: "tiako ianao"
Tao anaty foko tao.

Diso angamba aho hoy ianao
Fa niteniteny foana
Nanao vava tsy tsaroana.
Nefa...ity aho tsarao
Raha sendra tafafoha
'Reo fiontanako taloha.

Aoka ajanona ho tsiaro
Fa sendra mba tadidy
Avalona hihidy.
Tsiky mba nandalo
Ka aza omena tsiny
Amin'iny lafiny iny.

Sitraka: 21jona 2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1200 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sitraka
Nampiditra : sitraka feno tanteraka
Daty : 21/06/2015 12:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142