You are here: home > Vetso

HIVAVAKA AHO - SOANIARY

Azo vakiana?

Hivavaka aho, hitalaho
Hangataka ho ahy sy ho anao
Hiantran'ny Ray ambony ao,
Hombany ary koa hamindrany fo

Tsy hitsahatra fa hivavaka :
Hanaiky ny sitrapony
Hatoky ny fitondrany
Hanatena ny famonjeny

Izy Tompo Ray Tsitoha,
Hampiaiky, hampibebaka,
Tsy handavo ho solafaka,
hameno soa sy valim-bavaka

Tsy hitsahatra fa hivavaka :
Hahatsapana fitahiana,
Hanehoana fiderana,
Hahitana fifaliana




Sokajy : Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : SOANIARY

Nampiditra : loloniary
Daty : 23/02/2006
Mpamangy : 1153
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Nofy niserana
LAZAO
FITIA SY FITAKA
TIA MANGINA