You are here: home > Vetso

Nofy niserana - SOANIARY

Azo vakiana?

Sondriana sy variana
Tontolo vaovao hafa,
Tao anaty nofy sesehena
Revo nihanoka, nankafy
Toky sy angola nambabo
nefa lafatra namitaka
Hay, ndrisy nofy niserana


Toa hadino vetivety
Nandalo tsy naharitra
Fijaliana sanatria
Fitiavana mirenty
Fifaliana nisy fetra
Nefa tsisy manda na fefy
Hay, ndrisy nofy niserana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : SOANIARY

Nampiditra : loloniary
Daty : 23/02/2006
Mpamangy : 1036
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

HIVAVAKA AHO
LAZAO
FITIA SY FITAKA
TIA MANGINA