You are here: home > Vetso

FITIA SY FITAKA - SOANIARY

Azo vakiana?

NISERANA, NANDALO
NIATSAMPY, NATAKALO
NY RAOZY MARO LOKO
NANORENANA TOKO

TSY TSAROANAO AKORY
NOHEVERINAO NATORY
F'IZY NITAMPIFY NIERY
NAMOLIVOLY SAMIRERY

DISO AVOKOA NY MARINA
TSY HAIKO FANTARINA
FITAN-DROA SY FITAKA
FIHETSIKA SARIAKA


TSY TSAPANAO FA KILALAO
HANIMBA NY FIAINANAO
FIFALIANA MISERANA
SEDRA, SOLAFAKA TSIFERANA

TSY FANTATRAO NY HAJAINA
NAHAFOY NY LALAINA
SANDAN'NY FITIA
VOAFETRA FA TSY DORIA

Hevitra mandeha

Malalason (28/01/2006 11:39:56)

tsy ratsy mirary fahazotoana e!

navalh (10/03/2006 02:44:39)

mankasitra sy mankantelina zay nanoratra an'io fa tena tonga lafatra ny hafatra tiana hhampitaina e!

TYNOS (20/03/2006 05:52:03)

tsara ihany ilay izy @ ankapobeny fa tsy hita(ko)hoe inona ny tena votoatiny??? variana fotsiny mampiady rima ilay olona,mila hezaka kely nefa aza kivy!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : SOANIARY

Nampiditra : loloniary
Daty : 16/01/2006
Mpamangy : 1766
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

Nofy niserana
HIVAVAKA AHO
LAZAO
TIA MANGINA