You are here: home > Vetso

LAZAO - SOANIARY

Azo vakiana?

f'inona no nankaleo
tambitamby sa toreo?
hanta difotry ny onja
fitia mety tsy nafonja

lazao zay sitrakao
lazao raha handao
lazao dia veloma hatao
lazao fa tofoka sy lao

izy nanaiky sy nizaka
nisento tsy namaka
nionona tsy nitsetra
nisaina fa nisy fetra

tsy sahinao ambara
fa teny idraim-bava
dia amoy hilazana
ny lasa sy fiovana

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Hevitra mandeha

andriary (07/02/2006 09:55:49)

poety tanteraka izany namako

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : SOANIARY

Nampiditra : loloniary
Daty : 07/02/2006
Mpamangy : 1128
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Nofy niserana
HIVAVAKA AHO
FITIA SY FITAKA
TIA MANGINA